contact@revedecouverte.mg + 261 32 22 325 14

ZOTO MIANAKAVY | TOUR DE MADA

Zoto mianakavy – Tours de Madagascar: hiala sasatra eo Mahitsy androany alina, niainga teto Antananarivo androany maraina hihazo an’i Mahajanga.

Toerana tsy maintsy andalovany dian’i Zoto ny teto Antananarivo tahaka ny fandalovany amin’ny toerana rehetra, noho ny herim-po sy finiavany anefa dia haino aman-jery maro teto an-toerana sy avy any ivelany no samy nitatitra ny tanjony sy ny zava-bitany rehefa nandalo teto Andrenivohitra.

Nanao fizaham-pahasalamana izy dimy mianaka, ka teo amin’ny fotoam-piandrasana ny valin’ny fitiliana coronavirus nataon’izy ireo no nanapakevitra hanohy ny diany i Zoto hoy Hervé Miluis nampiantrano azy dimy mianaka tao Andranomena.

Ny maraina teo, niroso ny dia ary nitohy ny fanampiana nataon’ireo izay sendra an’i Zoto, teo koa ny latsa-dranomaso noho ny alahelo sy hafaliana.

Eo Mahitsy no hiala sasatra androany alina rehefa nanaiky nampiantranoin’i Rtoa Hanitriniaina i Zoto mianakavy. Toa tsy mahafoy azy mianakavy ka mbola niaradia amin’izy dimy mianaka hatreny Mahitsy sy mbola niara nisakafo tamin’izy ireo tao antranon’i Rtoa Hanitriniaina i Hervé BARINJAKA Miluis.

Izahay eto amin’ny Zahatany koa dia mirary azy dimy mianaka ho salama tsara tsy harofy ho todisoa any Antsiranana.